Mofo kely apperitif

92

MOFO KELY APPERITIF

Rehefa indray andro iny
Tsy ampoizinao ny vahiny,
Dia aza maka sarotra 
Mandehana any @ mpivarotra :

Dia ireto no vidio
Ny anarany tadidio :
Saumon sy surimi
Betterave sy voatabia

Crème fraiche sy œufs de lompe
Kely fotsiny dia ampy
Ary fromage frais,
tsy atao be dia be ! 

Concombre sy tarama
Ary dia homano ny plat!
Rehefa azo ireo
Dia afangaroy na teteho

Zarazarao ny mofo,
Dia ampihaingoy toy izao
Ny lokony aza avela hiofo,
Dia jereo ange ‘ty vitanao ! !

Mazotoa !
Ramatoa !!!

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: 
Matériels: