Mofo katsaka

262

Gateau katsaka angamba no mahalaza azy ity kosa.

zavatra ilaina:

katsaka manta tanora,

siramamy,

ronono mandry,

levure 1 tsongo.

(tsy nasiako fatrany fa izaho tsy tia mamy be, dia atao araka zay itiavana azy fotsiny)

Fikarakarana azy :
- kikisana moramora ilay katsaka ary kikisana amin'ny sotro ilay miraikitra @ taolany iny ka rehefa voalodotra dia ampiana siramamy, ronono mandry, levure 1 tsongo
- asiana menaka ny lasitra ary atao anaty vilany (ilay lasitra mbola tsy misy ny koba io) atao ambony afo malefaka,
- rehefa mafana ny lasitra dia arotsaka ny koba.
- Jerijerena ka rehefa miova loko ilay amin'ny sisin'ny lasitra (sady heno manitra koa) dia atao masakevoka na bain-marie hoy ny fiantso azy, izany hoe asiana rano ao anaty vilany dia ataingina eo ambony ny lasitra misy ny koba katsaka.
Araho an-tsary ny fikarakarana.

Dia mazotoa ary o

Fanamarihana:  Afaka ampiana akondro nopotsehina koa izy ity

Nahandron'i Ma Mence Zafiarison

Catégorie: 
Matériels: