Mille feuille de légumes au poisson

1

MILLE FEUILLE DE LEGUMES AU POISSON

ZAVATRA ILAINA :

"Flan de carotte" : Karoty 400g,  fromazy malemy (Fromage blanc) 100g , Atody 4

"Flan de brocolis" : Brocolis 400g, fromazy malemy 100g, Atody 4

Sesika : nofona trondro 350g, Tongolo maintso , tongolo be 2, Ranona voasarimakirana ½ Mayonnaise: Atody 1, Menaka 1/4l, Sira, dipoavatra.

FIKARAKARANA:

  • "Flan de carotte" 

Afanaina ny lafaoro atao 180°C

Diovina sy voasana ny karoty, tetehina boribory avy eo, ampangotrahina mandritra ny 15minitra. Rehefa izay dia tsihifina ary potsehina na totoina amin’ny "mixer" = (1)

Kapohina anaty bol iray ny fromazy, atody, sira, dipoavatra = (2)

(Ireo fangaro voalaza hoan’ny "Flan de carotte" ihany no ampiasaina eto) Afangaro ny 1 sy ny 2

Manomana lasitra fanao anaty lafaoro ( moule fisaka), asiana dobera dia asiana taratasy avy eo; araraka ao ilay fangaro, lalorina tsara mba ahazoana pâte manify tokony ho 2cm ny haavony.

Andrahoina anaty four mandritra ny 10mn.

  • Flan de brocolis:

Diovina ny broccolis, ampangotrahina mandritra ny 10mn. Rehefa izay dia mixer na ihany koa. (1)

Kapohina anaty saladier iray ny fromazy malemy, atody, sira, dipoavatra (2)

(Ireo fangaro voalaza hoan’ny Flan de brocolis) Afangaro ny 1 sy ny 2

Manomana lasotra fanao anaty lafaoro ( lasitra fisaka), asiana dibera dia asiana taratasy avy eo; araraka ao ilay fangaro, lalorina tsara mba ahazoana pâte manify tokony ho 2cm ny haavony.

Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 10minitra

  • Sesika: Ampangotrahina ny nofona trondro dia totoina

Diovina sy tetehina madinika ny tongolo maintso sy ny tongolo be

Afangaro ny totona trondro, ranona voasary makirana, tongolo maintso, tongolo, mayonnaise, sira, dipoavatra

  • Fanambarana :

Rehefa mangatsiaka ilay flan dia omena endrika efamira amin’ny « emporte pièce »

Ary elanelanina ilay sesika avy eo ireo flan:

Flan de brocolis – sesika – flan carotte – sesika – flan brocolis – sesika  – flan carotte

Haingoina amin’ny ravina salady dia aroso miaraka amin’ny voatabia nodidina boribory

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Aina Rakotoarisoa (fifaninana Nahandro)

 

Catégorie: 
Matériels: