Lasary sosety

703

LASARY SOSETY

Zavatra ilaina :

sosety 3
sira, dipoavatra, carry
menaka 3 sotro ho an'ny fanendasana)
menaka 2sotro ho an'ny saosy
vinaigitra 1sotro
tongolo mena 1
tongolo gasy hasiny 1 voakiky
persily na kotomila (fa izaho tsy nanana)

Fikarakarana azy :

- Ahandroina aman-kodiny ny sosety, tsy atao malemy be fa mafimafy amin'izay hitiavanao azy, teto aho dia efa nanisy sira
- mandritr'izay, voasana sy tetehana ny tongolo dia lomana amin'ny vinaigitra 1 sotro, dipoavatra kely, menaka 2sotro, sira
- voasana sy tetehana lavalava ny sosety, afanaina ny menaka 3 sotro, dia arotsaka indray ny sosety voatetika, ampiana dipoavatra, carry, tongolo gasy hasiny 1 voakiky dia somary endandasina. Atao afo mahery fa manjary mitera-drano be ny sosety. 
- Avela hangatsika dia afangaro amin'ny "vinaigrette" efa voaomana, rarahana kotomila na persily voatetika, mhmmmm

mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam 

 

Catégorie: