Lasary poireau

668

"Salade de poireau"

Zavatra ilaina :
"poireaux" izay ampy
voatabia kely (hanome loko)
menaka oliva
sira
voasary makirana

Fikarakarana azy :

- sasana sy tetehana ny "poireau"
- Atao anaty vilany misy rano mangotraka tsy asiana sira ny "poireau", 5 minitra ihany, dia tantavanina
- tsy ariana ilay rano fa atao fisotro na hanondrahana voninkazo na handrahoana vary

- Asiana saosy vinaingitra izay tiana ( ny ahy menaka oliva, sira ary ranom-boasary makirana fotsiny) sy voatabia hanome loko.

 

Mazotoa o !

Catégorie: