Lasary manga sy zavoka

643

FANOKAFAM-BAVONY : Lasary manga sy zavoka

Zavatra ilaina : 

tongolo be
kotomila 
voatabia 
voanjo masaka 1 tanana
concombre atsasany
zavoka 1 
Manga efa somasoma 1, tsy dia manta no tsy dia masaka loatra. 
Voasary makirana
menaka oliva 
sira 
siramamy kely

Fikarakarana azy:

Novoasana ny manga dia nokapakapaina mba ho mora didiana ny nofony (tsy haiko tsara manazava azy hihihi ) ,
Voasana koa ny zavoka dia didina manifykely manaraka ny sakany,
Vosana ny concombre dia tetehina manify tsy atao be fa mitera-drano.
nasiana tongolo be sy voatabia voatetika ary kotomila,dia norarahana saosy vinaigrette : Voasary makirana, menaka oliva, sira ary siramamy kely,
farany rarahana voanjo efa masaka mba hikarepoka 
Nohanina tamin'ny akondro be nendasina sy masikita malemy 
mazotoa o

Catégorie: