Lasary laisoa

772

LASARY LAISOA

ZAVATRA ILAINA 

- Laisoa
- tongolo be 
- tongolo gasy(tsy atao be)
- tongolo maintso
- kotomila
- sira
- dipoavatra
- menaka oliva
- voasary makirana 
 

FIKARAKARANA AZY 

- sasana ary tetehina madinika ny laisoa 
-.maka bol dia asiana ranomboasary makirana sy menaka oliva ary ireo hanitra rehetra voatetika madinika : tongolo be, tongolo maintso ary tongolo gasy sy sira kely, tsy adino ny dipoavatra ary siramamy kely manome tsiro azy. 
- afangaro avokoa ary dia azo aroso 

NB: azo atao koa ny mampangotraka rano misy sira kely ary rehefa mangotraka dia arotsaka ny laisoa voatetika, ary avela hiketrika kely 2 minitra eo dia  tatavanina ny laisoa ary avela mangatsiaka dia asiana ilay saosy voasary makirana, saingy tsy dia tsara ho an'ny marary vavony ity.

Mazotoa o 

Am-pitiavana be 

 

Catégorie: