Lasary kokombra

781

Lasary kokombra - salade concombre 

Hohanina miaraka amin’ny kitonotono izy ity tena tsara ery

Zavatra ilaina :

Kokombra
voasary makirana
sira
menaka oliva (raha tiana)
voatabia 
sakay (raha tiana)
hanitra maintso : kotomila, persila, basilika sns (raha tiana)

Fikarakarana azy

- Voasana ny kokombra dia sasana aloha vao kikisana amin’ny “rapy karoty”
- asiana ranomboasary makira, sira ary menaka oliva kely
- asiana voatabia voatetika sy hanitra maintso voatetika madinika ary sakay raha tiana fa ny tena tsara dia kikisana amin’ny “rapy karoty” koa ny voatabia

NB: Rehefa manao kokombra izahay dia andramana tsirairay mihitsy vao kikisana, sao misy mangidy dia manimba tsiro

Mazotoa o 

Catégorie: