Lasary anamamy

754

LASARY ANAMAMY

NB: tsy mety amin'ny olona be tosi-drà izy ity.

ZAVATRA ILAINA:

- Anamamy
- tongolo gasy hasiny 1,
- tongolo,
- voatabia
- dipoavatra,
- vinaigitra,
- menaka,
- sira

FIKARAKARANA AZY:

- kiraina ny tahon'anamamy, dia tangosana ny raviny
- Ampangotrahana ny rano , esorina ambony afo dia arotsaka ao ny anamamy efa voakarakara, avela 5 minitra, saronana ny vilany.
Tsihifina avy eo ary avela hangatsiaka.

- manao "sauce vinaigrette" : tongolo gasy hasiny 1, tongolo, voatabia ,dipoavatra, vinaigitra, menaka, sira. Afangaro dia vita.

Mazotoa homana, tompoko.

Nahandron'i Lah Rande

 

Catégorie: