Gratin de riz aux légumes

130

GRATIN DE RIZ AUX LEGUMES
Zavatra ilaina :

hoan’olona 4 
Vary fotsy 1kapoaka
Oignon 1
Carotte 2 lehibe
Poivron maitso 1
Saosety 1
Celeri, sira
Tongolo gasy 1
Atody 3
Creme fraiche 25cl
Ronono 15cl
Fromage rape 100g
Fromage teama milk 1 
Beurre 

Fikarakarana azy:

Afanaina 200°ny lafaoro
Rehefa voadio sy voavaofy ny karaoty sy ny saosety dia ampangotrahina amin’iny izy bolongany iny, tetehina en dé avy eo
Andrahoina mitsiratsiraka amin'ilay rano avy nampangotrahina legioma ny vary
Atsonika ny dibera ary alefa ao ny oignon voatetika madinika, tongolo gasy voatoto, celery notetehina madinika, aroina tsara hifangaro tsy hanome fofona manitra vao alefa indray ny poivron notetehina madinika ihany koa, arotsaka manaraka izay ny karoty sy saosety, karohina tsara dia alefa indray ilay vary, entano aminizay hiala ambony afo dia alefaso ilay fromage teama milk, afangaroy tsara amin’izay.
Kapohina anaty saladier iray ny ronono sy crème fraiche , atody ary sira
Arotsaka anatin’ilay vary avy eo
Omanina ny moule dia alefa ao ny fangaro, fafazana fromage rape avy eo
Ampidirina lafaoro mandritra ny 45mn
Avy dia ahohoka ambony vilia azo ampidirina lafaoro dia fafazana fromage indray, averina hiditra lafaoro indray vetivety.
(afaka tsy ahohoka ihany koa fa avy dia aroso)
Aroso miaraka amin’ny gogo grillé ny ahy teto

Mazotoa homana o 

de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: