Gelée de fraises

253

Gelée de fraises 
 

Zavatra ilaina 

fraises 500g,
feuille de gelatine 1,
siramamy 250g
Rano 10cl
ranomboasary makirana 1/2

Fikarakarana azy: 

Sasana tsara ny frezy ary tetehana madinika, dia arotsaka ao anaty vilany miaraka amin'ny rano kely avela hangotraka amin'ny afo malefaka ary rehefa mitsingevana ny frezy dia vonoina ny afo
-  Tatavanina amin'izay dia fihazana tsara dia mahazo ny ranony rehetra
- Maka vilany kely iray dia tao ambony afo asiana io frezy ranony io dia atao mitokana miaraka amin'ny "feuille de gélatine sy siramamy kely dia afangaro tsara mba ho levona
- ny ambiny kosa asiana siramamy sy ranomboasary makirana dia atao ambony afo malefaka ary tsy avela hangotraka fa haroina tsy mijanona mandrapahalevona ny siramamy dia atambatra ao koa ilay nisy ny gelatine. Rehefa mitambatra tsara daholo dia vonoina ny afo ary ela mangatsiaka.
Tsinjaraina anaty vera amin'izay raha tonga dia hohanina ary atao anaty vata fampangatsiahana. 

NB: Raha atao anaty bocale kosa fa ho tehirizina dia tsy asiana gelatine fa paoma 
Mila asiana paoma kely 1 na 2 miaraka andrahoina amin'ny frezy, tetehina madinika ary tsy voasana, 
Ampangotrana mialoha ny bocale sy sarony izay mila ilay mbola tsara, ary avela hitsika ambony lamba madio, 
Vao vita ny gelée ka vao mafana fa tsy mangatsiaka dia atao anaty bocale ary ahohoka ny bocale. 
raha tiana mbola ho tehirizina maharitra kokoa dia aampangotrahana miaraka amin'ny bocale indray vao tehirizina 

Mazotoa 

 

Catégorie: