Gaufres

107

Gaugres na gaufre 

recette 1 de Dina Ramangatsihoarana:

zavatra ilaina

ronono 50cl , lafarina 300g, atody 2, siramamy 60g , dibera100g nasonika, lalovay 1 sachet " levure boulangère", sira 1 tsongo.

Fikarakarana azy:

Afangaro ny farine sy siramamy ary ny sira, avy eo ny atody sy ny dibera efa natsonika, afangaro tsara,

lomana kely ao anaty ronono matimaty ny levure dia arotsaka ao amin'ny fangaro teo aloha;

alefa tsikelikely ny ronono mandrapatonga ny pate ho malama tsara;

avela hilona kely izay vao mahandro

rehefa izay dia endasina amin'ny "gauffrier" voahosotra menaka na dibera ary azo hohanina miaraka amin'ny  kaonfitira na sokolà 

 

recette 2 de Ravo Randimbinavalona

zavatra ilaina:

lafarina 500g , 4 atody,  siramamy izay tiana, dibera 250g , rano matimaty1/2 vera ,  lalovay :levure boulanger,

Fikarakarana azy 

Afangaro daholo ireo dia avela amin'ny toerana mafana mba hitombo avo roa heny ny habeany

Afaka atao amin'ny lasira efa nolalorina menaka amin'izay.

mazotoa

Catégorie: 
Matériels: