Galette de soja

1072

GOUTER NA LAOKA : GALETTE DE SOJA

ZAVATRA ILAINA: 

Faikana soja avy nanaovana ronono,
zavamanitra : tongolo maitso, persila, curcuma, dipoavatra,
sira,
lafarina kelikely
menaka fanendasana

FIKARAKARANA AZY:

Maka bol dia atambatra ao avokoa ny faikana soja, tongolo maitso sy persila voatetika madinika, curcuma, dipoavatra, sira, ary asiana lafarina kelikely mba

hampitambatra azy. 

Afanaina ny menaka kelikely amin'ny lapoaly, dia endasina rehefa menafify dia esorina ary atsika tsara ny menaka.

FANAMARIHANA:

Azo asiana atody ihany koa raha tiana 

Tsy misy very ny soja, sady mahazo ronono no mahazo laoka, tena natsiro.

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Stella Yolande Hokowa‎ 16.11.2017

Ingrédients: 
Catégorie: