Fromage de tête halal

Portrait de Angie
192

FROMAGE DE TETE HALAL

ZAVATRA ILAINA:

vavan'omby 1kg, 
jambon volaille 200g,
kotomila kely
persila
sakaibe na "poivron"
tongolo be
dipoavatra
sira 
menaka 

 

FIKARAKARANA AZY

Sasana daholo ny zavatra ilaina dia tetehina majinika ,

Manao  saosy vinaingitra: menaka sy vinaigre dia atao ao ilay sakaibe voatetika ary asiana kotomila, persila, tongolo be ary dipoavatra

Nandrahoina be indray ny vavan'omby 1kg (efa ilay voakarakara eny an-tsena ireny koa mety), rehefa miboledaka dia tapatapahana madinika, averina andrahoina kely indray, rehefa ridritra dia araraka anaty moule
Afangaro ao koa ilay saosy vinaingitra teo sy ilay jambon vaoatetika madinika.

Aza adino ny sira, atao anaty frigo nandritra ny alina izy io, dia maraina vita.

Mazotoa o 

Nahandron'i Nalitiana Tafangy

 

Catégorie: 
Matériels: