Fromage à pate dure

23

zavatra ilaina :
Ronono MANTA 1litre (ilay tsy mitapo-drano, ilay amin'ny sachet hono toa ratsy )
Presure 5 gouttes * (vidina eny @ pharmacie na Citron 3 sotro à soupe) 
Sel fin

Fitaovana ilaina:
Casserole
Compresse (ideal) na torchon madio
Boite vide (trobatrobaho)
Faharetana

ETAPE 1 : Afanao ilay ronono manta tsapao foana rehefa mafanafana mitovy @ hafanan'ny vatanao dia esory (miandry 2mn) dia asio an'lay presure na citron. Afangaroy tsara. Saromy torchon dia ataovy @ toerana antonony tsara ny afanany. ohatra lakozia misy afo. Avelao ho eo
mandraparainan'ny andro
ETAPE 2 : Ho hitanao fa lasa mitambaingana ilay izy ao rehefa tapitra lay pause io. Alaivo ny antsy dia didididio na poteho ilay mivaingana iny.
ETAPE 3 : Alaharo ambony passoire ny compresse dia araraho ao lay ronono mitambaingana iny.Tatavanina zany raha tsy azonao. Saromy de avelao hitsika 24h
ETAPE 4 : Tapitra ny 24h potsipotsero tsara hialan'ambina rano tavela na fihazo miaraka @ ilay lamba raha torchon no nampiasainao.
ETAPE 5 : Ataovy anatin'ilay boite notrobatrobahana @ zay dia tsindrio zavatra mavesatra (lay fromage io ohatra tavoahangy en verre nofenoina rano) 12h ndray io. Ataovy @ toerana mangatsitsiaka.
Vita izy zay. Azo avy de hohanina asio sira. Raha hanohy dia tohizo kosa ny étape 6
ETAPE 6 : Sinon raha ho atao dure dia hosory sira de maka vilia de asio torchon madio de ataovy eo amboniny avelao @ toerana mangatsitsika. Raraho sira isan'andro ary soloina isan'andro lay lamba lafika satria ho mando. Apres 3 semaines ianao mahazo toy ny fromage @ sary ambony io
Ny fanaovana lay sira ray sotrokely @ voalohany iny de ahena fona sao mangidy sira ny fromagenao.
 

NB: 
*Presure misy koa en poudre ny ilaina dia 1gr pour 1 litre de lait fa ranoina ao anaty rano kely 1/4 de verre aloha vao atao anaty ronono.

Raha ao Antananarivo dia misy ao amin'ny pavillon 84 ny 2g ny azy dia 2000Ar, pavillon 727 5g de 5000Ar (prix en dec 2014)

 recette de Mino Soa Randriambao

Ingrédients: 
Catégorie: