Fonosana sambosa

376

Fanamboarana fonosana sambosa - sambos - samoussa

Zavatra ilaina :

- lafarina 500g 
- rano 23Cl 
- sira tapaky ny sotrokely 
-20g dobera na menaka kelikely

Fikarakarana azy:

1- atao anaty tsatokaty lehibe ny lafarinina, anaty tsatokaty kely asiana rano sy sira dia ararla moramora ambonin’ny lafarinina, polipolesina ny paty mba ho canora. Asiana lavaka eo afovoany hasiana dobera mivaingana dia polesina indray ny paty mandritra ny fahefatr’adiny
2- rehefa vita ny fikarakarana ny paty dia zaraina roa mba ho lasa bolongana roa
3- velarina ho lasa kapila roa ireo paty ireo 
4- alaina ny menaka oliva iray sotro dia aparitaka eo ambony paty indrindra amin’ny sisiny manodidina
5- rehefa vonto menaka tsara ny paty dia alaina ny kapila faharoa dia ataingina eo ambonin’ilay voalohany amin’izay azo sarahana ireo kapila roa rehefa masaka ny paty
6- alaina indray ireo paty roa ireo dia kosehina amin’ny varingarina mba ho lasa fisaka tsara
7- avy eo dia tapahana ho lasa efajoro toy ny amin’ny sary faha-7
8- lalorina menaka ny lapoaly amin’ny alalan’ny servieta taratasy dia apetraka eo ireo ravina dia atanika ambony afo malefaka fa tsy avela ho masaka loatra
9- raha vao massa ny paty dia esorina dia zaraina roa hisokatra
10- alaina amin’ny rantsan-tanana ny antsasaky ny paty dia atao toy ny telzoro araky ny sary faha-10 
11- fenoina toto-kena efa masaka iray sotrokely ilay paty telozoro
12- hidiana amin’ny alalan’ny tapotsin’atody atao lakaoly
13- jereo ny vokany ao amin'nysary faha 13
14- avy eo arotsaka tsirairay ao anaty lapoaly misy menaka mamay ireo sambosa mba ho mendy tsara.
15- toy izao ny endriny rehefa vita tanteraka (sary faha-15)

Mazotoa o 

de Eliane Ny Ari nadikan'i Rondro Volantsoa
 

Ingrédients: 
Catégorie: