Fondant au chocolat

88

Fondant au chocolat

Zavatra ilaina
-150g sokolà mainty (noir)  (10 amin'ilay mini choco koa azo atao)
-2 (fonosana) "mini choco noir" (hafa mihitsy ity ankôtran`io ambony io)
-6 atody
-160g siramamy
-80g dibera
-2 sotro fihinanana cacao
-2 sotro fihinanana maizena

Fikarakarana azy

-Atao "bain marie" ny dibera sy ny sokolà 150g , afangaro tsara rehefa mitsonika ary esory amin'ilay "bain marie"
-Kapoy ao anatin'ilay "bol" na tsatokaty mafana avy nanaovana "bain marie" teo ny atody sy ny siramamy, rehefa mandroatra tsara ka mitombo dia esorina!

- alefa ao ny vovoka cacao sy ny maizena. Afangaro tsara ary alefa indray ny sokolà sy dibera dia afangaro tsara indray
-Alefa anaty lasitra ka atao hatreo amin'ny atsasany,ary asina potika choco aloha (eto no ilaina ilay 2 fonosana : mini choco), zay vao fenoina amin'ilay fangaro voalohany teo!
-Alefa anaty lafaoro efa nohafanaina 15 minitra mialoha ary eo amin'ny 12minitra dia mahamasaka azy amin'ny hafanana 210°

Nahandron'i Landy Minonjatovo

Catégorie: 
Matériels: