Flan - tsy misy atody

1179

Flan

Miarahaba antsika rehetra o
Flan indray no atolotra antsika anio

ZAVATRA ILAINA:

Sokolà (chocolat )
Voaloboka maina (raisin sec ) tsy voatery
Ronono velona 1,5l ( iray litatra sy tapany) ,
siramamy izay tiana
lakirema “crème pâtissière” iray fonosana

FIKARAKARANA AZY:

Andrahoina ny ronono ary asiana siramamy
Rehefa mafana dia maka kely dia afangaro amin’ilay “crème pâtissière” iray fonosana dia levonina ka haroina atao mitsiranoka tsara
Averina eo ambony afo ny ronono ambiny ary araraka ao koa ilay misy “crème pâtissière dia harohina foana mandrapaha ritra azy dia vita
afaka atao anaty vera na lasitra araka izay tianao,
azo asiana chocolat na izay tiana rehetra
afaka hoanina mafana

Fanamarihana:

Marihina fa ity flan ity dia tsy nampiasa atody na lafarina izany-.
Mazotoa mikarakara dia mirary soa ho antsika rehetra

Nahandro sy sarin'i Femi Andr'Ian 28.10.2020

Catégorie: