Endives sy henakisoa

1174

LAOKA: ENDIVES SY HENAKISOA 

Fotoana fahavokaran'ny  endives ny ririnina. Misy ny sahirana amin'ny fomba fandrahoana azy ity noho izy karazana anana mangidy. Ity misy hevitra iray hikarakarana azy ary.

ZAVATRA ILAINA:

ho an'olona 4 eo:

endives 6-8 isa, voasasa sy novakiana roa amin'ny halavany,
nofon-kena kisoa malemy 250g (mety koa raha misy taviny kely), notetehana toy ny kitoza 10 cm eo ho eo,
nafangaro amin'ny totona tongolo lay 1 sy tapaka sakamalao kely 1;
sira, siramamy 1 sotrokely,
voatabia maina (milona menaka),
ovy 2 salantsalany voasasa, voavaofy ary voatetika fisaka manify 1cm eo,
thym, tongolo be 1 voavaofy sy voatetika,
menaka oliva

FIKARAKARANA AZY 

mampangotraka rano ¾ ny vilany lehibe (omby ny endives izay mila mivadibadika refa mangotraka mba hampiala ny mangidy aminy) nasiana vaingantsira izay ampy. Rehefa mangotraka dia arotsaka ny andives tsy avela halemy motaka satria mbola handrahoina anaty lafaoro avy eo.

Mandritr'izay dia hafanaina anaty lapoaly ny menaka 1 sotro. Arotsaka ao ny tongolo, rehefa masamasaka dia arotsaka ny hena, ny sira izay ampy ary ny siramamy. Atao mahery afo ary haroroina avadibadika haingana vetivety fotsiny mba ho mendy nefa tsy henjana na masaka tsara dia vita.

Tetehana vavetivety ny voatabia. Hosorana menaka na asiana taratasy fandrahoana ny lasitra dia apetraka eo ny endives efa natsiaka tsara tsisy ranony intsony, mbola mangidingidy fa izay mihitsy no tsirony. Elanelanina ovy efa nasiana sira mialoha, ny hena sy ny saosy tongolo, ny voatabia. Haparitaka mba samy hahazo tsiron'ny fangaro tsara daholo, rarahana thym eo amboniny. Saronana papier aluminium.

Atao anaty lafaoro 180°, efa nafanaina mialoha, mandritry ny 30 mn eo ka ny 15 mn farany dia esorina ny papier alu mba ho somary mendy, mena fify ny fangaro nefa tsy ho maina be ny hena.

 

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin' Hanta Nandrianina 24.01.2019

Ingrédients: 
Catégorie: