Donate - donut

Portrait de Angie
213

DONUTS

Zavatra ilaina:

farine 250g, levure boulangere 2 sotrokely, siramamy 2sotro, beurre 60g, atody 1, sira 1tsongo, rano kely

Fikarakarana:

afangaro daholo: farine, siramamy, levure. kapohina ny atody 1+sira; Afangaro tsara avy eo, tetehina en de ny beure dia volavolaina miaraka amin'ilay pate, raha hita fa mbola maina dia ampiana rano kely na ronono. Avela hilona 30mn, kosehina avy eo, omena endrika toy io amin'ny sary, avela hilona 30mn, rehefa izay dia endasina

Glaçage:
chocolat 50g, beurre 20g: atsonika atao bain marie dia afangaro tsara
Sucre glace 200g, ranona voasary makirana 1, tapotsin'atody 1, colorant (kapohina ny tapotsin'atody dia arotska tsikelikely ny sucre glace, alefa ny ranona voasary makirana avy eo, asiana loko izay tiana
Rehefa voaendy ny mofo dia atsoboka kely anatin'ilay glaçage ary avy dia haingoina amin'ireo bonbon kely fanao haingona gateau (raha andrasana mangatsiaka ilay glaçace vao asiana deco dia tsy miraikitra intsony)

Mazotoa

De Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: