Crispy chicken

1026

 LAOKA NA TSAKITSAKY : AKOHO MIKAREPOKA (CRISPY CHICKEN)

ZAVATRA ILAINA 

akoho izay tianao (ny ahy eto elany)
Sira
dipoavatra
ketchup (na chili sauce raha tia masiaka)
lafarina
yaourt nature

FIKARAKARANA AZY 

- Mampangotraka rano asiana sira ; rehefa mangotraka dia alana ambony afo ary arotsaka ao ilay akoho. 
- Alaina ny "yaourt nature" asiana sira sy dipoavatra ary ketchup kely na "chili sauce" raha tia masiaka. 
- Atao amin'ny lovia ny lafarina, asiana sira.
- Alana anaty rano ny akoho, tsihifina, arotsaka anaty yaourt avy eo anaty lafarina. 
- Mandritr'izany, efa atao mafana ny menaka hanendasana azy , rehefa masaka mena tsara dia apetraka ambony "essuit tout " mba hitsika tsara ny menaka dia aroso

Mazoto homana o !

nahandron'i Nalitiana Tiana 

 

Ingrédients: 
Catégorie: