Cake sy voaloboka maina

135

 

Cake nasiana raisins secs :

 

Zavatra ilaina:

200gr lafarinina

125gr dibera

100gr siramamy

1 sotro fihinanana lalovay na levure

3 atody

100gr voaloboka maina

Mila dibera kely koa izany hanosorana ilay tavy "moule". 

Fikarakarana azy :
 

Hafanaina ny lafaoro , 100° na  160°

Kapohina ny atody sy ny siramamy ary afangaro aminy eo ny dibera rehefa malemy. Arotsaka ny lafarinina sy ny levure ary haroina hifangaro tsara daholo izy rehetra. Rehefa vonona ireo dia arotsaka ny voaloboka maina hifangaro ao koa.

Hosorana dibera ny tavy mba tsy hiraikitra dia fafazana lafarina kely ary ahohoka mba hialan'izay lafarina tsy miraikitra,

Atsofoka anaty lafaoro avy eo mandritra ny 45minitra eo ho eo raha latsaky ny 100° fa 30 minitra eo raha 180°

Azo tsapaina amin'ny lohan'antsy ny ao anatiny hahalalana fa masaka na tsia. 

Mazotoa homana e!

de Ny Riana

 

 

Catégorie: 
Matériels: