Cake au yaourt et au chocolat

133

CAKE AU YAOURT ET AU CHOCOLAT

Zavatra ilaina:

atody (3),

yaourt (1 pot),

cacao (3 sotro lehibe),

dobera (125g),

lafarinina (3 pots yaourt),

siramamy (2 pots yaourt)

Moule 21x10cm, 6cm ny hahavony

Fikarakarana azy:

- Maka atody telo (3) dia sarahana ny tamenany sy ny tapotsiny
- kapohina ny tamenany ary asiana siramamy 2 pot-ny yaourt
- kapohina tsara ny fangaro ary ampiana yaourt 1 pot sy dobera antsasany (125g) nepohana ary cacao 3 sotro lehibe, araka izay tiana
- arotsaka ny lafarinina 3 pot-ny yaourt ary afangaro tsara
- arotsaka farany ny tapotsiny nokapohana "en neige ferme"
- rehefa vita izay dia arotsaka anaty moule na cake efa voahosotra menaka sy lafarinina mba tsy hampiraikitra ilay paty
- alaina ilay moule dia atao anaty vilany misy fasika matevitevina ary atao ambony afo, asiana charbon mirehitra koa ilay tako-bilany
- avela ho masaka eo mandritra ny 40mn eo eo, rahefa izay dia asiana lela antsy anatin ilay paty ka raha ohatra ka maina ilay lela antsy dia efa masaka ny gateau atsika!

Tsotra kely ka dia mazotoa homana re tompoko o!

de Ny Aiko

Catégorie: 
Matériels: