Cake au chocolat

65

ODY AM - BAVA FO : CAKE AU CHOCOLAT 

ZAVATRA ILAINA:

100g lafarina,
7 Mini choco noir,
50g dibera,
70g siramamy,
3 atody,
1 tsongo sira,
lalovay 2/3 ny fonosana (na koa 1 sotro kely)

FIKARAKARANA AZY:

- Kapohina miaraka ny atody sy siramamy ary dibera 25g
- Hatsonika miaraka ny ambin'ny dibera ny "mini choco" 5
- Harotsaka ao anatin'ilay fangaro atody sy siramamy ary dibera ilay "mini choco" mitsonika 
- Hafangaro mitokana nylafarina sy lalovay ary ny sira kely dia avy eo arotsaka ao amin'ilay fangaro teo ambony! dia afangaro tsara daholo ny fangaro rehetra.
- Hosorana dibera ny lasitra dia arotsaka ao amin'izay ny fangaro rehetra.
- Alaina ilay ambina "mini choco" dia tapatapahina dia atao eo amboniny.

Ampidirina ao anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180° mandritran'ny 30mn eo ho eo!

Mazotoa o 
 

Nahandron' i Hajanirina Robinah Rakotovao sy fampiharan'i Floras Rasoambelona

 

Catégorie: 
Matériels: