Boudin de poulet

1127

BOUDIN DE POULET 

Miarahaba am-pifaliana,

*AKORA ILAINA :

. nofon'akoho 450g
. crème fraîche 200ml
. tongolo1 voatetika
. tongolo gasy singany 1 voatetika
. atody 2
. rhum (na Porto rouge) 1sotro fihinana
. maïzena na lafarina 1sotro mitafotafo
. muscade 1/2 sotrokely
. menaka oliva 2sotro fihinana
. sira sy dipoavatra
. film alimentaire mahazaka mamay

** FIKARAKARANA AZY :

- araraka anaty lapoaly ny menaka oliva, endasina ao ny tongolo (tandremana tsy ho may fa vao mangarahara ny lokony dia arotsaka koa ny tongolo gasy), afaka 3minitra dia esorina.

- arotsaka anaty "blender" daholo ireo fangaro rehetra etsy ambony ireo sy ny tongolo mendy dia ahodina ho torotoro tanteraka, toy ny manome mayonnaise marihitra be no azo.

- fonosina lavalava toy ny saosisy anaty "film alimentaire" amin'izay. Fonosina fanindroany mba tsy hisokatra. Ahodinkodina ny sisiny 2 mba tsy hivoha sy tsy hisy rivotra firy, aza henjanina na izany aza

- mampangotraka rano, ka rehefa mangotraka dia arotsaka ao mandritra ny 15minitra ireo
- afaka 15minitra, dia esorina ary ampangatsiahana ireo boudins, esorina ny fonony ary endasina amin' ny dibera kely.

Sary sy nahandron'i Bonbon Mamibé : 23.02.2018

Catégorie: