Atody sy sakaibe

Portrait de Angie
1158

Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina, 

Raha mba te hiova amin'ny mahazatra dia ity indray ny atody endasina amin'ny legioma

SAKAFO MAHALEO TENA na LAOKA na FANOKAFAM-BAVONY :  Atody sy sakaibe endasina na "omelette de poivron" na "frittata di peperoni"​

Sakafo mora kely hoy ny italien hoe "Frittata " ny frantsay "omelette" ny malagasy atody endasina 
eto dia misy fangarony

ZAVATRA ILAINA:

sakaibe (poivron)
atody,
menaka na dibera,
fromazy voakiky 
sira,
sakamalaho voatoto
tongologasy 
dipoavatra raha tiana

FIKARAKARANA AZY:

Sasana tsara ny sakaibe dia tetehina manify kely ary esorina ny voniny sy ilay tahony be ,
Endasina amin'ny menaka oliva kely ary asiana sir, tsy saromana ary tsy asiana rano mihitsy.
Rehefa akaiky ho vita dia arotsaka ny tongolo gasy  sy sakamalaho voatoto.
Haroina matetika fa mora miraikitra satria manify ary atao afo malefaka.
Kapohina ny atody dia asiana fromazy voakiky , afangaro tsara dia araraka eo ambon'ilay korzety efa masaka dia avela hitambatra tsara. Mila atao maina tsara vao avadika. 

Eto dia ny sakaibe no natao tao anaty bol misy ny atody ka noraisina tamin'ny sotrobe "louche" dia nendasina tao anatin'ny lapoaly kely mba hahazo bika kelikely tian'ny ankizy.

FANAMARIHANA:

azo atao "frittata de legumes" ohatra baranjely, korzety, ny anana, ny tongolo, ovy, ny karazana pate rehetra na spaghetti io sns sns
Mazotoa indray o

Matsiro be fa mazotoa o !!!

Ingrédients: 
Catégorie: