Atody sy paty

323

Atody endasina na "omelette de pate" na "frittata di pasta"

Sakafo mora kely hoy ny italien hoe "Frittata " ny frantsay "omelette" ny malagasy atody endasina 
eto dia misy fangarony

Zavatra ilaina:

pate,
atody,
menaka na dibera,
fromazy voakiky 
sira,
dipoavatra raha tiana

Fikarakarana azy:

Ampangotrahana ny rano dia asiana sira ary arotsaka ny pate, rehefa masaka dia tatavanina, 
Kapohina ny atody dia asiana sira kely ary araraka ny pate sy fromazy , afangaro tsara dia endasina. Mila atao maina tsara vao avadika. 
Lanin'ny ankizy foana io na inona atao ao anatiny na inona
Nb: azo atao "frittata de legumes" , na korzety , na baranjely , na epinards, tongolo, ovy, ny karazana pate rehetra na spaghetti io sns sns
Mazotoa indray o

Catégorie: 
Matériels: