Poésies

Galette aux fruits

GALETTE AUX FRUITS

Ho anao ilay te-hanao dessert mafana
Aza kivy na mihanahana ;
Milaza ianao fa tsy manana four
Dia mba raiso ny zavatra atoro !

Lapoaly fotsiny ampiasaina,
Amin’izay ianao tsy mangaina !
Toy izao ary ilay recette,
Dia ho hitanao ilay dessert fa mety ;

- Kapohy ny atody roa na telo 
- Asio siramamy 2 na 3 sotro lehibe
- Mba ho manitra mamerovero,
- Ampio sucre vanillé !

Salade de fruits

SALADE DE FRUITS

Vokatra ve ny voankazo ?

Ampiasao f’aza avela halazo !

Mananasy, litchis, manga?

Ataovy daholo izay mitranga !

Fraise, pomme, poire?

Ampiaraho ao koa fa tena tsara !

Akondro, garana, voanatsindrana?

Ananan-tsika ireo fa tsy mila mindrana !

Aza hadino ny ranom-boasarimakirana,

Ny siramamy koa tsy azo hidivirana !

Rehefa voatapatapaka izy rehetra,

Dia ampiaraho ao anaty koveta,

Rehefa mifangaro tsara,

Dia lasa amin’izay ianao mitsinjara,

Gateau d'anniversaire

"Joyeux anniversaire fiston!"

Tu vois mon fils, tu as bien grandi 
Et moi aussi, j'ai bien vieilli !
Souviens-toi quand viendra le jour,
Où tu penseras: "à chacun son tour!"

Quand tu faisais tes premiers pas,
Je prenais ta main, j'étais toujours là!
Et si un jour mes jambes me lâchent,
Sois patient, il ne faut pas que tu te fâches!

Quand tu vois mon ignorance,
Ou mes bêtises par inadvertance,
Face à l'outil informatique,
Ne fais pas ce regard ironique!

Toy li raha zao

Toy li raha zao

Hialàko tsiny mialoha,
Raha misy tsy mahazo ny teniko,
Hanao Tanindrana kely aho aloha,
Hanova loko ny peniko !

Nisy namana avy any Tuléar,
Nanontany hoe inona ireo ?
Dia hohazavaiko aminy eto tsara,
F’aza taitra na gaga ianareo !

Tomatesy li azy menamena io,
Nasiako tongolo be avao,
Ka taitsy iha fa tsy raha lio,
Soa biby fe andramonao !

Sambosa draiky efa hainao soa,
Manahaky @ karana ‘reo,
Bolihena na kababo koa!
Le mendy soa li, fa enteo !

pates sy potikena

PATES SY POTIKENA 

Toy izao rehefa fetin’ny ankizy,
Tsy misahirana sady tiany ilay izy !

Pâtes asiana potikena,
Matsiro sy tsara jerena !

Ny pâte moa izay tianao dia mety,
Na tsara masaka na al dente !

Ny potikena koa torak’izany,
Izay sauce mahazatra anao ihany !

Ny pâte nataoko eto dia Farfalle,
Ny anatiny tsinona tsy lalina,

Tsy mitroka sauce toy ny penné
Na maccaroni izay misy lavaka be !

Tsy miholakolana toy ny tortilli 
Sa ahoana ry Andry Rungi ?

Nems trondro

NEMS TRONDRO !

Ho avy indray ny pâques rankizy,
Hifady hena ka dia izao no izy :

Manamboara nems @ trondro,
Fa aleo io toy izay mofo akondro !

Ahandroy ny petits pois, carotte ary ovy,
Dia mandanjà trondro ataovy mitovy,

Rehefa masaka daholo izy ireo,
Dia ny légumes tetiteteho,

Ny trondro indray, ny taolany esory,
Sy ny hodiny izay manorisory,

Avy eo afangaroy daholo,
Dia asio poivre, sira, tongolo !

Ny fonony efa ao @ fichier,
Ny haingony sisa atao marobe :

Bûche de Noël salée

Bûche de Noël salée

Avereno kely indray mandeha,
Hoy ilay olona izay !
K’aza avy ianao hilaza hoe :
Ohhh ! efa hitanay !!!

Sakafo faran’izay tsotra
Nofon-trondro efa nahandroina
Sy ovy masaka voapotsitra
Mety koa raha nototoina !

Afangaro izy ireo
Dia asiana mayonnaise koa,
Atao sary hazo avy eo,
Dia amboarina ho soa !

Ilay sary hazo asiana tonony,
dia atao malama tsara,
Ary hosorana mayonnaise indray eo amboniny,
Dia soritana @ fourchette ho makarakara !

Mofo kely apperitif

MOFO KELY APPERITIF

Rehefa indray andro iny
Tsy ampoizinao ny vahiny,
Dia aza maka sarotra 
Mandehana any @ mpivarotra :

Dia ireto no vidio
Ny anarany tadidio :
Saumon sy surimi
Betterave sy voatabia

Crème fraiche sy œufs de lompe
Kely fotsiny dia ampy
Ary fromage frais,
tsy atao be dia be ! 

Concombre sy tarama
Ary dia homano ny plat!
Rehefa azo ireo
Dia afangaroy na teteho

Nems sy salade

Nems sy salade

Ity indray ary ny manaraka,
Nems sy salade miaraka !

Alaivo ny hena kisoa,
Toroy ho potika tokoa !

Alaivo koa ny hen’omby,
Dia totoy raha ts’izay tsy mahomby !

Cheveux d’ange sy champignon noir
Coriandre koa mba ho manitra tsara !

Dia asio sira sy carotte râpée
Ary poivre fa tsy atao be dia be !

Tsy adino ny tongolo gasy
Kely fotsiny manjary tsy lasa… !

Dia afangaroy izy rehetra ireo,
Ny fanaovana ny fonony ao @ fichier ao jereo !

Lasary karoty

Lasary karoty

Tena aleo mba tsorina indray ny fiainana e!
Carotte râpée, céleri-rave râpé,
1 tomate cerise, 3 cornichons ary 2 mini-oignons
dia asiana sauce vinaigrette dia vita a!

Alaina ny carottes râpées
Ampiana céleri-rave râpé!
Asiana sofiny cornichon
sy maso tongolo oignon!

Ny orony voatabia menamena,
Jereo ity izy fa tsara jerena!
Cornichon koa atao vavany,
Odray! toa sary piso ny tavany?

Ndao ary fa mazotoa homana!
Sakafo tsotra no sady tomombana!!

 

Pages