Zavoka sy poivron

105

AVOCAT AUX DEUX POIVRONS

Zavatra ilaina
 

ho an’olona 4
Zavoka 2 vaventy
Poivron mavo 4, poivron mena 4
Crème fraiche 2 sotro fihinanana
Tongolo maintso, sira
Menaka olive 20 cl
Echalotte 1
Atody 2

Fikarakarana:

 

- coulis de poivron:

sasana ny poivron dia fonosina papier aluminum tsirairay dia ampidirina anaty lafaoro aminny hafanana 200° mandritra ny 10mn, andrasana angatsiaka rehefa avy eo ary dia esorina ny voany. Atokana araka ny lokony, Rarahana ½ ranona voasarimakirana isaky ny tokony (mena sy mavo) mixer-na asiana sira, dia rarahana menaka tsikelikely ohatran’ny manao mayonnaise, mahazo rihatra malefaka karazany loko roa.

 

- Salade zavoka:

mixer-na miaraka ny zavoka, citron , tongolo maintso , crème fraiche ary asiana sira.
Apetraka eo amin’ny lovia aminny alalan’ny emporte pièce, apetraka eo ambony ny echalotte nodidiana rondelle ary efa nolomana citron, dia apetraka manodidina avy eo ny colis amin izay endrika itiavana azy; ampidirina frigo mandritra ny 30mn vao aroso, efa handroso mihintsy vao haingoina amin’ny ravina solila sy atody nosilahina roa efa nandrahoina aman-korany.
Mazotoa homana e !

 

de Aina Rakotoarisoa

 

 

Catégorie: