Voandalana

1027

VOANDALANA 
Paty sady fanaovako cacapigeon izy ity no fanaovako voandalana

ZAVATRA ILAINA :
Lafarina 600g - 700g
lalovay simika 1fonosana (11g)
sira 2 sotrokely safoina
vache qui rit 2 isa na mihoatra (azo ovaina izay tianao)
dibera natsonika 125 - 150g (raha "beurre demi-sel" dia ahena ny sira)
rano 50 à 100ml (izay mampitambatra azy)

FIKARAKARANA :

- Afangaro ny lafarina sy lalovay simika ary sira
- Arotsaka ao ny dibera natsonika avy eo dia kosehana amin'ny felatanana roa, mazaho paty mamasipasika (pâte sablée).
- Potserina dia afangaro ao ny vache qui rit.
- Farany, asiana rano " kely dia kely" (araraka tsikelikely) dia kosehana amin'ny vohon-tanana toy ny hikosoka lamba mandra-pitambany ho bola 1 (tsy lalaovina ela)
- Fonosina lamba lena na fonosina "papier film" na atao anaty bol fotsiny dia saronana lamba. Avela hilona 1ora.

- Somary iverenana kosehana amin'ny tanana indray avy eo (tokony hahazo toy ny pâte à modeler isika), izay no ahalalana fa mety ny paty

FAMISAHANA AZY :

Zaraina ho bola maromaro dia fisahana amin'ny kibao (rouleau) na amin'ny "machine"
Ny ahy somary asiako "tour" toy ny manao "pâte feuilletée" ka ataoko 3tours. Fa raha atao "cacapigeon" dia ataoko 6tours.

Ho an'ny voanjo : somary endandasina (tsy atao mendy be fa vao manomboka miloko dia ajanona), izay vao fonosina.

Dia endasina amin'izay.

Nahandron'i Vero Randriam (sary 24/05/2016)

 

Ingrédients: 
Catégorie: