Verrines aux fruits de mer

876

VERRINE AUX FRUITS DE MER 

 

1- VERRINE D'AVOCAT ET CREVETTES - ZAVOKA SY MAKAMBA  (Sary: ireo roa amin'ny sisiny)
 ZAVATRA ILAINA:
zavoka
crevettes - Makamba 
Fromazy izay tiana sy misy 
voasary makirana
tongolo maitso

FIKARAKARANA AZY: 

Potserina ny zavoka sy ny ranona voasarimakirana dia atao any ambany indrindra amin'ny vera
Avy eo ny makamba efa masaka sy voatetika.
Avy eo asiana fromazy "frais carré" ny eto (mety koa ny vache qui rit na izay misy)  ary nopotserina ary nafangaro tamin'ny tongolo maitso voatetika madinina eo amboniny. 
Averina indray asiana zavokà sy makamba samy notetehina madinika ary nafangaro tamin'ny ambin'ilay fromazy.
Dia nofaranana tamin'ny crevette iray atao haingony.
 

2- VERRINE DE SAUMON FUME' ET CONCOMBRE - (SARY:eo am-povoany)

ZAVATRA ILAINA

Saumon fumé
Kokombra
Fromazy "frais" na izay misy 
voasary makirana
persila

FIKARAKARANA AZY:

Kapohina ny "fromage frais Saint-Môret" no nampiasaina teto (mety daholo na fromage blanc tsotra na vache qui rit...) ary io no atao ambany indrindra amin'ny vera.
Tetehina madinika ny saumon dia apetraka.
Avy eo ny kokombra voatetika madinika ihany koa ary dia asiana ranona voasary makirana eo amboniny ary haingoina amin'ny persila voatetika.

Atsofoka anaty vata fampangatsiahana izy ireo vao aroso no mahatsara kokoa azy.

Mazotoa homana daholo e

Nahandron'i Murielle Rafiringa Rakotoharintsifa‎ 

Catégorie: