Verrine de flan patissier

1029

TSINDRIN-TSAKAFO na ODY Am-BAVA FO : VERRINE DE FLAN PATISSIER 

Zavatra ilaina :
poudre crème pâtissière 70g
ronono velona 1litatra
gousse vanille 1
dibera 1 sotro
siramamy 100g
colorant na totom-boankazo araka izay tiana

Fikarakarana azy : 
- Apangotrahana ronono sy lavanila,
- Atao anaty bol maina tsara ny poudre sy siramamy dia arotsaka ny ronono no sady haroina tsara tsy mijanona @ sotro hazo, averina ambony afo malefaka no sady haroina hatrany mandrapahateviny, vonoina afo, asiana ilay dibera.

- Zaraina mitovy fatra anaty bol , teto 5, dia nasiana goutte de colorant liquide orange, ananas, citron, poudre cacao (marron), colorant violet nasiana nofom-boaloboka voatoto anatin'ny flan.

Toy izao ny filaharany ao anaty vera eto : Orange, chocolat, citron, raisin, ananas

Mety koa raha atao tena voankazo no afangaro anatiny dia manaraka ny lokom-boankazo ny colorant raha mampiasa.

Mazotoa o !

nahandron'i Lah Randria

Ingrédients: 
Catégorie: