Vary sy totokena ary petit pois anaty lafaoro

996

SAKAFO FENO : VARY SY TOTOKENA ARY PETIPOA anaty lafaoro (na lafaoro vilany gasy)
"riso al forno con sugo e piselli" hoy ny italien

ny hitiavako ity sakafo ity dia mora tokoa sady azo atao mialoha ka matetika ny anay dia ny alina no atao rehefa matory aby ny kilonga amin'izay rehefa maraina mba tsy be korontana ao andakozia intsony. Somary lava kosa ny fanazavana.

ZAVATRA ILAINA:
ho an'olona 6 (mazoto homana )

vary 500g ny tsara dia ilay tsy miboledaka ireny 
mozzarella (izay tiana fa azo soloina fromazy)
petit pois 150g
dibera izay ilaina

ho an'ny ragù:
totokena mifangaro 350g 
saosisy 50g
tongolo be,tongolo gasy ary karoty 1
voatabia voatoto mahadifotra ny totokena , ny ahy eto 1l 
sira, menaka oliva(evo) , 
"noix de moscade" raha misy
divay mena 1 vera
girofle singany 4 raha tiana

FIKARAKARANA AZY:

ny ragù no atao voalohany fa somary mila fotoana, raha "cocotte minute"dia 20 minitra eo dia vita , raha tsotra kosa dia 90 minitra eo

- endasina anaty vilany ny tongolo, tongolo gasy ary ny karoty voatetika madinika kely dia avela hahazo tsiro tsara amin'ny afo malefaka
- arotsaka ny totokena sy ny saosisy dia avela ho mendimendy haka tsiro avokoa ary azo asiana sira kely
- arotsaka "noix de moscade" sy ny girofle ary farany ny divay dia akarina ny afo mba ho lasa entona. 
- arotsaka amin'izay ny saosy voatabia mahasarona ny totokena. 
- hidina ny vilany "cocotte minute" ka rehefa maneno dia izay vao manisa 25 min. (
- rehefa tapitra dia esorina ny rivotra dia sokafana ka andramana ny sira dia raha efa ritra tsara dia vita, na koa azo ampiana afo kely fa tsy asiana sarony intsony.

mahandro vary indray izao 
- ny an'ny italiana andrahoiny anaty rano efa misy sira miaraka ny vary sy ny petit pois dia avy eo ariana ny rano toy ny manao paty. 
-tsy dia tiako loatra io fa aleoko andrahoina miaraka ihany fa atao kelikely rano dia ampiana matetika, amin'izay tsy very ny otrikaina nefa moa ry zareo ve tsy hahay an'izany fa tsy haiko loatra ny antony. 
raha tokony ho masaka 15 minitra ny vary nahandro tsotra dia esorina kosa vao 10 minitra nitaingina satria mbola ho atao anaty lafaoro dia any izy masaka avy eo 
rehefa masaka ny vary dia atokana,
-maka lasitra na vilia mandeha lafaoro ary asiana dibera 
- asiana ragu ny vary aloha mba ho lasa menamena kely dia araraka ao anaty lasitra ny atsasany, dia rarahana "mozzarella" voatetika madinika na koa fromazy izay misy , dia asiana ragù indray dia avy eo vary dia mozzarella ary ragù indray dia faranana fromazy voakiky. 
- Ampidirina lafaoro efa nafanaina mialoha a 200° eo amin'ny 20 minitra eo dia vita rehefa maina tsara mikarepoka ny ambony ary ritra tsy miteradrano ny saosy 

Azo atao amin'ny lafaoro gasy koa an, asiana afo eo ambony takotra dia masaka ambony ambany, ny fotoana no mila jerijerena
Mora kely e?

FANAMARIHANA:
raha tsy tia voatabia dia azo esorina fa ny petit pois no atao 1 kg dia totoina amin'ny "robot"rehefa masaka ny 750g atao solon'ny saosy ka io no hanondrahana ny vary mifanelanelana amin'ny mozzarella ary raha tiana dia azo atao saosy bechamel ihany koa no miaraka aminy. 

Mazotoa o 

Catégorie: