By Andry Rakotomavo
Vary amin'ny curry
Vary amin'ny curry - Riz au curry
zavatra ilaina:
vary 
saosy soja
menaka oliva 
curry
atody 1
raha tiana dia azo asiana : "germes de soja" na "champignon noir"
Fikarakarana azy
- Andrahoina ny vary atao maina tsara miparasaka 
- kapohana ny atody. 
- maka lapoaly na saba / wok no tena tsara , atao afo mamay tsara , arotsaka ao ny menaka 1 sotro fotsiny
- arotsaka avy hatrany ny atody voakaboka sy ny saosy soja ary ny curry dia haroina tsara tsy hirakitra sy hivaingambaingana fa miparitadritaka, 
- raha asiana "germes de soja" na "champignon noir" dia eto no androtsahana azy ary avela haka tsiro 2 min eo koa,
- arotsaka koa ny vary ary avela eo ambony afo 2 minitra , afangaro tsara daholo hisaratsaraka dia vita 
mazotoa o
NB : vary basmati na riz de luxe no tena tsara fa raha tsy misy dia vary hafa fa tsy atao be rano manjary mohaka
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire