Trevise

Portrait de Angie
1090

TREVISE – ENDIVE ROUGE – SALADY MENA

Miarahaba ny Mamina,

Na tsy misy any Madagasikara na amin’ny firenena hafa aza ity radis mena ity dia zaraina am-pifaliana hatrany ho fahalalana fa anisan’ny tsy mahafaty antoka antsika izany.
Ny hoe Trevise na koa Treviso dia tanana iray aty Italie tena mpamokatra azy ity
Vao hotazana izy dia tsara raha adrahoina avy hatrany fa raha mijanona ela vao lasa somary mangidy.
Fa tena tsara sady mahasalamana ary azo hohanina amin'izao ity salady mena ity, atao salady, na endasina, atao anaty lafaoro, azo atono ihany koa na atao fangaron-daoka, atao amin'ny paty na koa risotto, ary dia tena matsiro e

ZAVATRA ILAINA:

  • Trevise – endive rouge
  • Tongolo gasy
  • solila
  • Menaka oliva
  • Voasary
  • Vinaingitra balsamika
  • Olive mainty
  • Sira
  • Dipoavatra

FIKARAKARANA AZY:

  • Azo didiana 2 na efatra fotsiny ny salady mena iray fa ny ahy eo nesoriko tsirairay ny raviny sasana tsara dia hamainina
  • Hafanaina ny fanatonoana azy dia alahatra eo ambony ny salady mena, avadibadika fa veivety dia vita
  • Potserina ny voasary dia asiana menaka oliva sira ary dipoavatra kely , asiana tongologasy hanome hanitra ihany koa ary olive mainty , ary farany ny solila dia afangaro avokoa ary aroso. (azo asiana sokolà mainty voakiky)
  • Mamy marikivy miaraka amin’ilay somary mangidy raha efa elaela tena matsiro

Mazotoa o 

23.12.17

Ingrédients: 
Catégorie: