Tiramisù au chocolat

Portrait de Angie
1144

TSINDRIN - TSAKAFO : TIRAMISU AL CIOCCOLATO -

Mofomamy italiana izy ity ary tena mora atao tokoa 

ZAVATRA ILAINA :
Atody 3
Siramamy 50g
"Mascarpone" 250 g
"cacao"
biscuit boudoir 1 fonosana

Potika sokolà
ranon-kafe 1 vera, na ranona cacao

FIKARAKARANA AZY :

- sarahana ny atody , tamenany sy tapotsiny
- Afangaro sy kapohana tsara ny tamenany sy ny siramamy
- Arotsaka ao ny "mascarpone" dia afangaro tsara indray
- Kapohana hisavovona ny tapotsiny dia afangaro moramora amin'ny tetsy aloha amin’ny “spatule” na sotro be hazo
- Alaina tsirairay ny "biscuit" antsasaky ny fonosana, asoka vetitevy anaty ranon-kafe dia alahatra amin'ny fanambanin'ny "plat" raha lehibe zaraina roa raha atao amin’ny vera na lasitra kelikely
- Rakofana ny antsasaky ny lakirema tetsy aloha avy eo
- Alahatra eo amboniny indray ny "biscuit" efa nolemana tanaty ranon-kafe
- rakofana ny ambin'ny lakirema rehetra toy izay hatrany
- Atsofoka anaty vata fampangatsiahana 4ora farafahakeliny, mandritry ny alina no tena tsara.

- Alohan'ny handrosoana azy dia fafazana "cacao" ny tapony ary rarahana potika sokola .

Mazotoa o !

Nahandro sy sarin’i Voahangy Treves

Ingrédients: 
Catégorie: