Tartelette choco - fraise

978

TSINDRIN-TSAKAFO : " TARTELETTE CHOCO - FRAISE"

** Ho an'ny "Pâte brisée" :
lafarina 250g
dibera 100g
tamenak'atody 1
sira
siramamy
rano mafana kely

** Ho an'ny "crème pâtissière au chocolat " :
ronono 500ml
siramamy 100g
"poudre patissière" na "maizena" na lafarina 50g
lavanila tahony 1
tamenany 3
cacao 2 na 3 sotro fihinanana

** Ho an'ny frezy :
Frezy izay ampy
siramamy izay mahamamy
rano kely

FIKARAKARANA AZY :

==> Ho an'ny "pâte brisée" :
- Atao afovoan'ny lafarina ny dibera, atody, sira, siramamy ary afangaro amin'ny loha - tanana, dia asina rano kely izay ampy ampitambatra azy ary avela hilona 30minitra.
- Avy eo, fisahana amin'ny kibao (rouleau) dia apetraka anaty lasitra efa nohosorana dibera sy somary nofafazana lafarina. Lasitra madeleine no nampiasaiko eto.
- Tsindronina amin'ny sotro rovitra (fourchette) mba tsy hibontsina rehefa atao anaty lafaoro.
- Atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C, jerijerena mandra-pahazony lokom-bolamena (10 na 15 minitra eo).

==> Ho an'ny "crème pâtissière au chocolat" :
- sarahana manaraka ny halavany ny lavanila dia atao anaty ronono ry ampangotrahana ny ronono
- kapohana ny tamenak'atody sy siramamy, arotsaka ao avy eo ny "poudre crème pâtissière" na maïzena na lafarina ary cacao
-rehefa mangotraka tsara ny ronono dia andrarahana kely mankao amin'ilay fangaron'ilay tetsy aloha, aroina tsara hifangaro tsy asiana mitambaingana,
- vita io dia arotsaka ao anaty ronono ambiny ireo fangaro teo ambony, aroina foana mandra- pahazo ny rihatra tianao.

==> Ho an'ny frezy :
andrahoina kely amin'ny siramamy mahamamy sy rano 1 na 2 sotro, rehefa somary mahazo sirop dia vita.

FANAKAMBANANA :
- Rehefa mangatsiaka ny "tartelette" dia araraka ao ny crème pâtissière au chocolat. Apetraka eo amboniny ny fraise au sirop. Vita

Fanamarihana : mety atao toa io na "pâte feuilletée" aza
Mazotoa o !

 

Nahadron'i Vero Randriam

 

Catégorie: