Tarte aux pommes 2

701

ODY AM-BAVA FO na TSINDRIN-TSAKAFO : TARTA PAOMA 

Zavatra ilaina :
- Ho an'ny "Pâte brisée" :

lafarina 250g
dibera 100g
tamenak'atody 1
sira
siramamy
rano mafana kely

- Ho an'ny "compote de pomme" :
Paoma
rano
siramamy

FIKARAKARANA AZY :

- Atao afovoan'ny lafarina ny dibera, atody, sira, siramamy ary afangaro amin'ny loha - tanana, dia asina rano kely izay ampy ampitambatra azy ary avela hilona 30minitra.
- Avy eo, fisahana amin'ny "rouleau" dia apetraka anaty lasitra efa nohosorana dibera sy somary nofafazana lafarina. 
- Tsindronina amin'ny sotro rovitra (fourchette) mba tsy hibontsina rehefa atao anaty lafaoro.
- Atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C, jerijerena mandra-pahazony lokom-bolamena (10 na 15 minitra eo).
- Manao "compote" amin'ny paoma : voasana dia tetehana, asiana siramamy izay tiana, asiana rano kely ary atao ambony afo mandrapaha-rihitra
- Rehefa masaka ny "fond de tarte" dia araraka eo amboniny ny "compote" haingona amin'ny "bandelette" nalaina tamin'ny ambin'ny paty, rarahana siramamy kely, dia atsofoka anaty lafaoro mafana tsara, averina anaty lafaoro indray 180°C 20 minitra eo.
Tsara foana na hoanina mafana na mangatsika.

Mazotoa indray ary o

- nahandron'i Hanitra Andrianaivoson