Tagliatelles aux haricots verts à la viande hachée

Portrait de Angie
1154

SAKAFO FENO : Tagliatelles aux haricots verts à la viande hachée

Paty "tagliatelles" nampiarahana amin'ny harikôvera sy totokena. Mba miova amin'ny vary.

ILAINA :
- Paty "Tagliatelles" izay habetsahana tianao
- Totokena
- Harikôvera
- Tongolo gasy
- Tongolobe
- Sira/dipoavatra
- Menaka

 

FIKARAKARANA :
Eo ambany ny sary manampy ny fanazavana
- Masahana mialoha araka ny torohevitra eo amin'ny fonony ny paty. Dia avy eo tsihifina.
- Endakendasina ny totokena sy tongolo gasy.
- Arotsaka ny harikôvera. Afangaro. Ampiana rano kely.
- Asiana sira sy dipoavatra. (Sary1)
- Rehefa masamasaka dia arotsaka ny tongolo be. Tsy avela masaka loatra mba hikarepoka. Tokony efa vonoina aza ny afo rehefa handrotsaka azy. (Sary2) Afangaro tsara.
- Dia farany arotsaka ny "tagliatelles" dia afangaro tsara.

Tena matsiro be ka mazotoa indray  

 

Nahandro sy sarin'i ‎Joëlle Philippe‎ - 17/08/18

 

Catégorie: