Spaghetti au petit pois

Portrait de Angie
1045

SAKAFO FENO: PATY SY PETIPOA - SPAGHETTI CON PISELLI E POMODORI -
 

Miarahaba indray 

Sakafo tena tsotra izy ity ary tena mahavoky

ZAVATRA ILAINA

Spaghetti 300 gr  
Petipoa 200 gr 
voatabia madinika 5-6 eo
tongolo be 1 na 2 
tongolo gasy
menaka oliva 
sira sy dipoavatra 

FIKARAKARANA AZY:

Maka vilany dia tetehana ny tongolo be ary endasina kely aloha vao arotska ao ny petitpoa dia avela hitanika kely,asiana rano mahamasaka azy dia atokana,
Maka lapoaly dia tetehana ny tongolo be hafa indray ary tongologasy dia avela ho mendimendy ao asiana dipoavatra sy carry ary sira
Arotsaka ihany koa ny voatabia voazara roa fotsiny eto  fa tsy atao betsaka fa manimba ny tsirony indray, ary tsy avela ho masaka . 
Mampangotraka rano misy sira, arotska ny paty ka rehefa masaka dia tatavanina ary alefa ao anatin io saosy efa vita io, 
Rarahana fromazy voakiky 
Mazotoa oo 

nahandro sy sarin'i Malalatiana Lolah Fredie 

 

Catégorie: