Sandwich Croquant

461

Faly miarahaba antsika rehetra indray ny 
« MIKANTO TRAITEUR »

Sandwich Croquant indray no arosonay ho anareo androany

 ZAVATRA ILAINA :

Ho anolona roa
Pain de mie 8 isa
Atody 2
Chapellure 500 ar
Jambon 100 g
Votabia 2
Fromage tsotra en tranche 100 g (na ilay efa vonona aminy fonosana ireny)
Cornichon singany roa
Mayonnaise 4 sotrokely
Feuilles de menthe raviny 4 (facultatif) na ravintsalady 4
(azo ovaina amin’izay hitiavana azy ny ao anaty sandwich na boulette na poulet na mortadelle , na achard legumes)

FIKARAKARANA AZY:
- Alaina ny pain de mie dia esorina ny hodiny mafimafy aminy sisiny iny
- Dia atambatra tsiroaroa dia somary fisahina aminy rouleau ho fisapisaka
- Atao aminy bol mitokana ny atody dia mitokana koa ny chapellure
- Ampandalovina ao anaty atody aloha ilay pain de mie efa voatambatra tsiroaroa
- Ampandalovina ao anaty chapellure indray (otrany manao steak panné)
- Afanaina ny menaka dia endasina vetivety tsiroaroa ao dia avadika refa mahazo loko dorée
- Ampangatsiahina kely aloha rehefa vita dia maka antsy dia averina zaraina roa (tsy hatraminy farany)
- Atsofoka anatiny ao amizay ny fromage –jambon -rondelle de tomate – cornichon – mayonnaise na izay tiana rehetra

Azo entina pique nique na atao gouter ny ankizy
Mikanto Traiteur afaka mandray anao tel 0340204203 - 0330880778 na manoratra ao amin'ny pejy.

 

Catégorie: