Salady quinoa

915

FANOKAFAM-BAVONY : SALADE QUINOA

ZAVATRA ILAINA: 

- Quinoa 1 kopy 
- Tsaramaso mainty 1 boaty
- kokombra 1
- Thon 1 boaty (à l'huile)
- tongolo be 1 (ilay mena Tropea no tsara)
- Vinaingitra sy menaka oliva
- Sira sy dipoavatra
- asiana sakay raha tiana

FIKARAKARANA AZY:

- eto dia nandrahoina tamin'ny "rice cooker" ny quinoa 1 kopy nasiana rano 2 kopy
- tetehana madinika ny tongolobe mena dia asiana vinaingitra 1 sotro sy sira
- arotsaka ny tsaramaso mainty efa masaka tanaty boaty
- rehefa masaka ny quinoa dia avela hangatsiaka ary afangaro ao amin'ny fangaro etsy ambony
- tetehana madinika ny kokombra dia arotsaka amin'ny fangaro
- arotsaka koa ny thon ary afangaro tsara
- ampiana kotomila voatetika na laingona céleri
- raha mbola mila menaka dia ampiana menaka amin'izay
- asiana sakay raha tiana

Mazotoa daholo.

 

nahandron'i Voahangy Treves
 

Catégorie: