Salady legioma

1169

SALADE LEGUMES EN VAPEUR 

ZAVATRA ILAINA:

ovy sy karaoty samy salantsalany 1 na 2 isan'olona avy arakarak’ izay tiana,
brocoli 1.

FIKARAKARANA AZY 

Rehefa samy avy nosasàna ny ovy sy karaoty dia andrahoina bolongany, tsy
vohasana.
Rehefa masaka, henjakenjana dia esorina tanaty vilany ka ny brocoli indray no andrahoina
mitokana noho izy mora masaka.
Tapahana aloha ny tahony hatreo amin'ny fototry ny bolongan'ny voniny iny ka tsy ariana io
tahony io fa vohasana hiala ilay hodiny be faka (fibres) dia andrahoina miaraka amin'ilay
vongana brocoli tsy mivaky, izany hoe tsy tetehana sady ny fototry ny taho no atao ambany
mba tsy ho potika izy. Atao henjakenjena koa.
Vohasana amin'izay ny ovy sy karaoty. Tetehana vavetivety avokoa, mbamin'ny brocoli mba
tsy ho potika rehefa hafangaro.
Asio saosy vinaingitra fanao amin'ny salady izay tiana, azo asiana saosy maiônezy. Azo
asiana nofon-trondro na nofon'akoho na atody (nandrahoina aman-korany niaraka tamin'ireo
legioma) voatetika koa raha tiana.

FANAMARIHANA

*Ny rano tavela anaty vilany avy nandrahoana ny legioma dia be sira mineraly ka tsy tokony
hariana fotsiny fa afangaro amin'ny rano hanondrahana voninkazo fa dia zezika, tena sakafo
tsara ilainy! Azo tehirizina anaty frigo koa ohatra raha tsy mbola mila tondraka ny androtr'io
ny voninkazonao.

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin' Hanta Nandrianina 23.01.2019

Ingrédients: 
Catégorie: