Salade fraicheur

Portrait de Angie
1098

 SALADE FRAICHEUR:

Tsy asiana fatra sy lanja fa arakaraky ny isan’ny olona sy izay itiavana azy

ZAVATRA ILAINA

  • Ho an'ny salady :

- Kokombra
- Karaoty
- Voatabia
- Poavrao
- Manga masaka fa tsy malemy (zanzibar ny ahy teto)
- Salady maitso na mena
- Katsaka amin'ny boaty
- Oliva mainty
- Oliva maitso
- Fromazy

  • Ho an’ny sauce vinaigrette : 

- tongolo be
- Tongolo gasy
- Sakamalaho
- Vinaingitra mena (Vinaigre rouge)
- Moutarde
- menaka oliva

FIKARAKARANA AZY: 

- Tetehina manakaikikaiky ny efa-joro ny kokombra, voatabia, manga, fromage
- Atao toy izay koa ny karaoty, andrahoina kely 5 minitra anaty rano mangotraka nasiana vinaingitra iray sotro, rehefa vita dia atao anaty saladier dia fenoina rano mangatsiaka na eau glacé raha misy, ajanona kely 1 minitra eo vao esorina
- Tetehina manify ny poavrao, atao anaty bol, asiana sauce vinaigrette kely dia afangaro tsara
- Tetehina manify ny salady, afaka asiana ambiny kely hatao lafika amin'ny plat toy ny amin'ny sary
- Esorina amin'ny boaty ny katsaka sy ny olive mainty sy maitso dia tatavanina tsara
- Afangaro anaty vilia ireo rehetra ireo
- Manao saosy vinaingitra na " sauce vinaigrette": tetehina manify ny tongolo be , kikisana ny tongolo gasy sy sakamalaho (tsy atao betsaka), kapohina miaraka ny menaka oliva sy vinaingitra ary moutarde, afangaro anaty bol ireo

Nahandro sy sarin'i Minosoa Raoniarimanga -31.12.20

Mazotoa indray o 

 

Catégorie: