Salade de riz aux crevettes

Portrait de Angie
1088

SALADE DE RIZ AUX CREVETTES: 

Miarahaba antsika indray 
Sakafo mora atao no atolotra anio :

ZAVATRA ILAINA: 

vary
vinaingitra
menaka 
sira
tongolo mena
sakaibe mena (poivron rouge)
voatabia
katsaka amin'ny boaty
ranom-boasary makirana
dipoavatra
mayonnaise (tsy voatery)
crevettes na hoe makamba
tongolo maitso (haingony)

FIKARAKARANA AZY : 

- Mba tsy hipetapetaka fa hiparasaka ny vary amin'ny salade toy izao dia andrahoy amin'ny rano be dia be dia tsihifina rehefa hita hoe masaka. 
- Alona ao anaty vinaingitra misy sira ny tongolo mena efa voatapatapaka. 
- Avy eo tetehana ny sakaibe mena sy voatabia. 
- Tsihifina sy kobanina ny katsaka amin'ny boaty.
- Afangaro amin'izay izy rehetra (mbola tsy miaraka amin'ny vary) ary asiana ranom-boasary makirana nasiana sira sy dipoavatra. Aza misalasala manandran-tsira. 
- Alefa ny mayonnaise (raha tsy tiana hatavy loatra dia tapohana fromage blanc).
- Endasina miaraka amin'ny menaka kely amin'izay ny crevettes mba hivoaka tsara ny tsirony sy hampikarepoka azy. Afangaro tsara amin'izay ny vary sy ny crevettes ary ireto legioma. Azo alain-tahaka tsara ny sary izay norarahana tongolo maitso kely.

Mety tsara amin'izao lohataona izao.
Nahandro sy sarin'i Joëlle Philippe -13.12.17
Mazotoa o !
 

Ingrédients: 
Catégorie: