Potsitr'ovy sy fromazy

Portrait de Angie
1077

POTSITR'OVY SY FROMAZY - "PUREE DE POMMES DE TERRE AUX FROMAGES"

ZAVATRA ILAINA :
Ho an'ny " potsitr'ovy sy fromazy" :
ovy 500g
dibera 75g
fromazy byba 75g
fromazy fondu 75g

Ho an'ny " vinaigrette" :
vinaigre de cidre 2 sotro fihinana
menaka tournesol 6 sotro
fromage blanc 50g (azo soloina yaourt nature)
tongolo 2
tongolo gasy vitsivitsy 
sakamalaho
kotomila/persily 1sotro
sira 1sotrokely
siramamy 1sotrokely
dipoavatra 1tsongo .... Mixer-na izy rehetra

Laisoa mena 200g tetehana lavalava
Didina - "pâté de campagne poivre vert" / jambon

FIKARAKARANA  AZY:

- Andrahoina masak'entona ny ovy, potserina miaraka amin'ny dibera sy ireo fromazy.
- Alahatra ny lovia asiana azy, maka "emporte pièce" dia alefa ao ny ovy, haingoana persily 
- Aroso miaraka amin'ny laisoa mena natao vinaigrette sy pâté de campagne poivre vert ary didina jambon

Mazotoa o !

nahandron'i Hajavola Raharinosy (O'mille Saveurs Madagascar) 28.11.2017

 

Ingrédients: 
Catégorie: