Pizza Saint Valentin

Portrait de Angie
579

"PIZZA COEUR"

Zavatra ilaina :

lafarina 400g
"levure boulangère" 1 fonosana
menaka 1 pot yaourt
rano 1 vera
sira 1sotrokely

Fikarakarana : 

- Atao anaty bol ireo, dia ny rano afanaina atao mafanafana, dia afangaro tsara, volavolaina 10minitra eo ho eo, dia avela hipetraka 1ora
- Avy eo, fisahana atao manify amin'ny "rouleau" dia vita
- Asiana fangaro izay tianao : "ketchup" atao voalohany eo ambonin'ny paty, izay vao ny fangaro rehetra, dia amin'ny farany rarahana menaka
eo ambonin'ny izy rehetra.
- Atao anaty lafaoro efa nafanaina 180°C mandritra ny 30minitra eo
Dia mazotoa, dia mirary soa ho an'ny mpifankatia rehetra e !!!
"Toy ny lamban'akoho ny fitiavam-bady ka aina no fetra"

Nahandron'i Lanto Raharinavalona