Pizza baranjely 2

982

PIZZA BARANJELY 
 

Sady tsara no haingana tsy mila paty. Mikarepoka ivelany, malemy anatiny.
 

ZAVATRA ILAINA : 

baranjely lehibebe,
menaka oliva,
sira,
hanitra: thym, origan, estragon, basilic ...
fromazy voakiky,
saosy voatabia,
.... sns izay tiana.

FIKARAKARANA AZY:

-Tetehana 1sm ny baranjely voadio, ary asiana vovotsira ny lafiny 2, avela hilona 20minitra hivoaka ny ranony.
-Afaka 20minitra, sasana ho afaka ny sira, ary fihazana tsindrina anaty lamba madio ho afaka ny rano.
-Atao ambony "plat" mandeha lafaoro amin'izay ary osorana menaka oliva ny lafiny ambony.
-Osorana saosy voatabia ary apetraka ny fangaro rehetra tiana toy ny manao pizza. Teto dia voatabia voapotsitra (coulis de tomate) fotsiny no nasiana fromazy teo amboniny.
- tsy adino ny hanitra toy ny : thym, origan, estragon, basilic, ... sns zay tiana.
- Rakofana fromazy voakiky amin'izay ary ampidirina lafaoro efa mafana 200°C , tokony eo amin'ny 15- 20minitra eo dia masaka.

Mazotoa 
Nahandron'i Bonbon Mamibe 

 

Catégorie: