Petisse

1040

SAKAFO FENO  na TSAKITSAKY : PETISSE 

ZAVATRA ILAINA

Ovy 8 isa amin’ilay salasalany ny habeany
kotomila
sira,
Carry
dipoavatra
totokena 250g ,
Tongolo be na tongolo maintso , 
menaka fanendasana

ho an'ny "Pate à beignet" na hoe “pastella”

lafarina
ronono na eau gazeuse, na rano sy atody

FIKARAKARANA AZY

Andrahoina ny ovy ary rehefa masaka dia voasana ary potserina amin’ny sotro rovitra dia afangaro ao ny kotomila voatetika madinika ary asiana sira, carry ary dipoavatra dia atokana.
Karakaraina indray ny totokena: atao anaty lapoaly ary asiana menaka 1 sotro, dia arotsaka ny totokena ary asiana tongolo be voatetika madinika tsara (na kikisana) , sira ary dipoavatra ihany koa. Tsy atao ela be fa vao ritra ny rano dia vita
Afangaro ny ovy sy totokena ary amboaria ny sira. Volavolaina atao fisapisaka dia atao anaty frigo 30 minitra eo mba hitambatra tsara.
Mandritra izay karakaraina ny “pastella” izay vita amin’ny ronono sy lafarina fotsiny afangaro atao mandranoka fa tsy marihitra be. (Ny ronono dia azo soloina rano fotsiny n arano sy atody na  eau gazeuse ihany koa ).
Hafanaina ny menaka dia asoka ao anaty paty ny petisse dia endasina, ka raha vao miova loko dia avadika rehefa vita dia apetraka ambony taratasy “sopalin”  mba hitsika ny menaka
Aroso mafana 

Nahandron’i Malalatiana Lolah Fredie

 

Ingrédients: 
Catégorie: