Oeufs mimosas panés

658

OEUFS MIMOSAS PANES - Fanokafam-bavony na laoka

ZAVATRA ILAINA :
atody  manta 3
“Chapelure”
atody 1(hamonosana)
sira
menaka fanendasana
“Thon en boite” (na sardine na saumon na izay tiana afangaro aminy)
persila
ronono kely na “fromage frais”(ilay malemilemy)

FIKARAKARANA:

Andrahoina amin’ny akorany anaty rano mangatsiaka ny atody ka rehefa mangotraka ny rano dia tokony ho 7 min dia esorina ambony afo ary atao anaty rano mangatsiaka.
Esorina ny akorany ary didina roa manaraka ny halavany dia esorina ny tamenany ary atao anaty vilia, kendrena mba tsy ho simba ny tapotsiny.
Alaina ny thon dia potehina majinika ary afangaro amin’ny tamenany, asiana fromazy malemy mba ho lasa lakrema raha tsy misy dia azo asiana ronono 2 na 3 sotro eo mba hampalemy azy tsara, afangaro ao koa ny persila voatetika majinika kely. Rehefa mifangaro tsara dia averina atsofoka ao anatin’ilay tapotsiny.
Kapohana ny atody iray hamonosana azy ary asiana sira kely. Apetraka amin’ny vilia koa ny “chapelure” ka ampandalovina ao anaty atody aloha vao anaty “chapelure” azo averina indroa raha tiana hikarepoka kokoa ny fonony.
Endasina amin’ny menaka betsaka ary atao afo mahery satria  efa masaka daholo fa atao “doré” fotsiny.
Apetraka ambony “sopalin” na taratasy hitsika ny menaka

Mazotoa o

Araho an-tsary eo amin’ny “commentaire “ ny fikarakarana
 

Catégorie: